Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Daniely

Daniely toko 4
Nofy ny amin'ilay hazo makadiry: ny niantsoana an'i Daniely hilaza ny heviny - Filazana ny hevitry ny nofy - Tonga adala Nabokodonozora - Ny nahasitrana azy.

       1Izaho Nabokodonozora, sady niadana tao an-tranoko no nitombo laza tao an-dapako. 2Nanonofy zavatra nampatahotra ahy aho, ka nitebiteby azon'ny eritreritro teo am-pandriako, sy ny fahitan'ny saiko. 3Koa namoaka didy aho nampaka ny olon-kendrin'i Babilona rehetra ho tonga eo anatrehako mba hampahalala ahy ny hevitry ny nofy. 4Dia tonga ny olo-mahay taratasy, ny mpisikidy, ny Kaldeana, mbamin'ny mpanandro; ka nolazaiko teo anatrehany ny nofy, nefa tsy nampahalala ny heviny tamiko ireo. 5Nony farany, tonga teo anatrehako Daniely ilay atao hoe Baltasara ny anarany, araka ny anaran'ny andriamanitro, sady manana ao anatiny ny fanahin'ireo andriamanitra masina, ka nambarako teo anatrehany ny nofy, nataoko hoe: 6Ry Baltasara, lehiben'ny mpahay taratasy ô, fantatro fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao; ka ambarao ahy ny fahitana hitako tamin'ny nofy, mbamin'ny heviny. 7Izao no fahitana hitan'ny fanahiko teo am-pandriako: Nahita aho, ka indro tokazo avo be teo afovoan'ny tany. 8Nitombo sy nihahery ny hazo nahatakatra ny lanitra ny tendrony, hita hatrany amin'ny faran'ny tany izy; 9tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany, nisy hohanin'izao rehetra izao teo aminy; nialoka teo ambaniny ny biby an-tsaha, nipetraka teny amin'ny rantsany ny voromanidina, ary nahazo hanina avy aminy ny nofo rehetra. 10Nibanjina izany fahitan'ny fanahiko izany, teo am-pandriana aho ka indro nisy mpiambina masina, nidina avy any an-danitra, 11niantso mafy nanao hoe: Kapaho ny hazo, tapaho ny rantsany, ahintsano ny raviny, aelezo ny voany; aoka hiparitaka ny biby eo ambaniny, ary hiala amin'ny rantsany ny voromanidina. 12Kanefa avelao ao amin'ny tany ny fototry ny fakany, fa asio rojo vy amam-barahana, eo afovoan'ny ahitra any an-tsaha. Dia aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka hiombonany amin'ny biby ny ahitra amin'ny tany. 13Aoka ny fony tsy ho fon'olombelona intsony, fa fom-biby no homena azy, ka fetr'andro fito no holanina aminy. 14Ity teny fitsarana ity miankina amin'ny didin'ireo mpiambina; ary ity raharaha ity dia lahatr'ireo masina, mba hahafantaran'ny velona fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, ka izay tiany no omeny an'izany, ary ny olona ambany indrindra asandrany ho amin'izany. 15Izany no nofy hitako, izaho Nabokodonozora mpanjaka, ary hianao kosa, ry Baltasara, no aoka hilaza ny heviny fa tsy nisy nahay nampahafantatra tamiko, ny olon-kendry rehetra eto amin'ny fanjakako; hianao no mahay izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina.
       16Dia vaka teo aloha kelikely Daniely izay atao hoe Baltasara; ary nampitebiteby azy ny eritreriny. Fa niteny indray ny mpanjaka nanao hoe: Aoka tsy hitebiteby hianao amin'ny nofy sy amin'ny heviny. Namaly Baltasara nanao hoe: Tompokolahy ô, ho amin'ny fahavalonao anie ny nofy, ary ho amin'izay mankahala anao anie ny heviny. 17Ny hazo hitanao izay nihalehibe sy nihanahery nahatakatra ny lanitra ny tendrony, hita amin'ny rehetra izy; 18tsara tarehy ny raviny, betsaka ny voany; nisy hanina ho an'izao rehetra izao teo aminy: nialofan'ny biby an-tsaha teo ambaniny; ary nipetrahan'ny voromanidina ny rantsany, 19io hazo io dia hianao ihany, ry mpanjaka ô, hianao izay nihalehibe sy nihanahery, ka nitombo sy nahatakatra ny lanitra ny halehibezanao; ary mihatra amin'ny faran'ny tany ny fanapahanao. 20Ny nahitan'ny mpanjaka mpiambina masina, nidina avy any an-danitra, nanao hoe: Kapao ny hazo, ary ravao izy; kanefa avelao ao amin'ny tany ny fototry ny fakany, fa asio rojo vy amam-barahana, eo afovoan'ny ahitra any an-tsaha; dia aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy ary aoka iombonany amin'ny biby, any an-tsaha, mandra-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy, 21dia izao no heviny, ry mpanjaka ô! Didin'ny Avo Indrindra tsy maintsy hihatra amin'ny mpanjaka tompoko izany. 22Horoahina hiala amin'ny olombelona hianao; ho any amin'ny biby any an-tsaha, ny fonenanao; hampihinanina ahitra hoatra ny omby hianao, havela ho kotsan'ny andon'ny lanitra hianao, ary fetr'andro fito no holanina aminao, mandra-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, sy manome izany ho an'izay tiany. 23Ary mba havela kosa, dia mbola haverina aminao indray ny fanjakanao, rahefa ekenao fa an'ny lanitra ny fizakana. 24Koa ankasitraho, ry mpanjaka, izao torohevitro izao: onero amin'ny fahamarinana, ny fahotanao; ary amin'ny fiantrana ny mahantra ny helokao; ndrao mba maharitra ahay ny fiadananao.
       25Nihatra tamin'i Nabokodonozora mpanjaka, avokoa izany zavatra rehetra izany. 26Nony afaka roa ambin'ny folo volana, raha ilay nitsangantsangana teo amin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka teo Babilona iny ny mpanjaka 27dia niteny ka nanao hoe: Tsy ity va no Babilona lehibe izay naoriko ho fonenam-panjakana tamin'ny haben'ny heriko, mba ho voninahitry ny fiandrianako. 28Fa mbola teo am-bavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy feo nidina avy any an-danitra nanao hoe: Ampahalalaina hianao, ry Nabokodonozora, fa niala lavitra anao ny fanjakanao. 29Horoahina hiala amin'ny olombelona hianao, ho any amin'ny biby any an-tsaha ny fonenanao; hampihinanina ahitra hoatra ny omby hianao, mandra-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no mizaka ny fanjakan'ny olombelona, sy manome izany ho an'izay tiany. 30Dia tanteraka tamin'i Nabokodonozora teo no ho eo ihany izany teny izany, nesorina hiala amin'ny olombelona izy; nihinana ahitra hoatra ny omby izy; nokotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany, mandra-panirin'ny volony hoatra ny an'ny voromahery, ary ny hohony hoatra ny an'ny vorona.
       31Nanandratra ny masoko teny an-danitra anefa aho izaho Nabokodonozora, nony tapitra ny fetr'andro, ka dia nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra aho ary noderaiko sy nomeko voninahitra Ilay velona mandrakizay, manana fanapahana tena fanapahana mandrakizay; ary manana fanjakana maharitra amin'ny taranaka mifandimby. 32Atao ho tsinontsinona eo anatrehany ny mponina rehetra eto an-tany; manao izay tiany amin'ny tafiky ny lanitra, sy amin'ny mponina eto an-tany izy; tsy misy olona mahavely ny tànany, ka hanao aminy hoe: Fa inona ity ataonao? 33Tamin'izay fotoana izay ihany dia nody tamiko ny saiko, dia niverina tamiko koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako ho voninahitry ny fanjakako; nantsoin'ny mpanolo-tsaina amam-pifehiko aho, ka tafapetraka amin'ny fanjakako indray, ary nitombo aza ny fahefako. 34Ankehitriny aho, izaho Nabokodonozora, dia midera, mankalaza, manome voninahitra ny mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany, mahitsy ny làlany, ary hainy aetry izay mandeha amim-piavonavonana. >