Bokin'i Daniely

Toko faha-5

1 Nanao fanasana lehibe Baltasara mpanjaka, ho an'ny tompo-menakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan'ireo arivo lahy izy.

2 Nentanin'ny divay Baltasara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy, nalain'i Nabokodonozora rainy, teny an-tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan'ny mpanjaka amam-tompo-menakely mbamin'ireo vadiny sy vaditsindranony. 3 Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin'ny tranon'Andriamanitra, izay ao Jerosalema, dia nisotro tamin'izany ny mpanjaka, ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin'ny vadintsindranony. 4 Nisotro divay izy ireo, ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahana sy vy, ary vato aman-kazo. 5 Tamin'izay, dia nisy rantsan-tanan'olona niseho nanoratra tandrifin'ny fanaovan-jiro maro rantsana, teo amin'ny lalotra sokay amin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka, ary hitan'ny mpanjaka ny tendron'ny tànana nanoratra izany.

6 Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavanin'ny valahany, ary niady ny lohaliny. 13 Dia nampidirina teo anatrehan'ny mpanjaka Daniely. Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin'i Daniely hoe: Hianao va, no ilay Daniely, isan'ny babo avy any Jodà, nentin'ny mpanjaka raiko avy any Jodea?

14 Efa reko ny aminao, fa hoe ao anatinao ny fanahin'ireo andriamanitra, sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina sy fahendrena mahagaga. 16 Ary izaho efa nandre ny aminao fa mahay milaza hevi-javatra, sy mahavaly fanontaniana sarotra hianao; koa raha mahavaky io soratra io hianao, sy mahalaza amiko ny heviny, dia hampitafina jaky, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpanapaka fahatelo eto amin'ny fanjakako hianao. 17 Dia niteny Daniely, ka nanao, teo anatrehan'ny mpanjaka, hoe: Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao; ary omeo ny hafa ny fanatitrao. Fa ny voasoratra hovakiko amin'ny mpanjaka ihany, ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.

23 Fa hianao, nentina teo anatrehanao ny kapoakan'ny tranony, ary nisotro divay tamin'izany hianao sy ny tompo-menakelinao mbamin'ny vadinao sy ny vaditsindranonao, noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahana, vy sy vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mahare, na mahalala na inona na inona akory; fa ilay Andriamanitra tompon'ny fofon'ainao sy iankinan'ny làlanao indray no tsy nankalazainao! 24 Dia tamin'izany no nanirahana io tendro-tànana io avy amin'ny anarany sy nandaharana izay voasoratra ao. 25 Ary izao no soratra voalahatra: Mené Mené, Thesel, Ofharsin! 26 Ka izao no hevitr'ireo teny ireo: Mené (voaisa): nisain'Andriamanitra ny fanjakanao, dia notaperiny. 27 Thekel (voalanja): nolanjaina tamin'ny mizàna hianao, ka hita fa maivana. 28 Perès (voazara): hozaraina ny fanjakanao, ka homena ny Meda sy ny Persa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0863