Bokin'i Daniely

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Baltasara, mpanjakan'i Babilona, nanonofy sy nahita fahitana tao an-tsainy Daniely, nony tao am-pandriany izy. Dia nosoratany tatý aoriana ny nofy, notantarainy ny fotopototry ny zavatra.

2 Dia niteny Daniely ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, ka indro nibosesika tamin'ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin'ny vazantany efatra:

3 ary niakatra avy ao amin'ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa. 4 Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin'ny tany sy nampijoroana azy tamin'ny tongony, hoatra ny olona ary nomena fon'olombelona izy. 5 Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsa, niainga ny ila-tenany, nisy taolana tehezana ary izao no nolazaina taminy: Mitsangàna hianao, mihinana nofo betsaka! 6 Manaraka izany, nijery aho, ka indro, nisy biby hafa koa, hoatra ny leoparda, nanan'ela-borona efatra teo an-damosiny; ary nanan-doha efatra izany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana. 7 Rahefa izany nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihorin-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin'ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo. 8 Nodinihako ireo tandroka, ka indro, nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin'izy ireo, ary nombotan'io ny telo tamin'ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason'olona sy vava nilaza zava-dehibe ity tandroka ity. 9 Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan'ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon'ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;

10 ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky. 11 Nijery aho tamin'izay noho ny fireondreon'ny teny mihoa-pampana nolazain'ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin'ny lelafo. 12 Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan'ny andro iainany, mandra-pihavin'ny andro amam-potoana. 13 Nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak'olona tamy teny ambonin'ny rahon'ny lanitra; nandroso izy nankeo amin'ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;

14 dia nomena azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany. 15 Nitebiteby ny saiko tao anatiko, izaho Daniely, ary nahatsiravina ahy ny fahitan'ny lohako.

16 Nanatona ilay anankiray tamin'ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr'izany: 17 Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin'ny tany; 18 nefa ireo olo-masin'ny Avo Indrindra no handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay doria alaovalo. 19 Tiako ho fantatra marina tamin'izay, ny amin'ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahana ny hohony, nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin'ny tongony ny sisa tsy laniny;

20 sy ny amin'ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin'ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany. 21 Nijery aho ka indro niady tamin'ireo Olomasina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka, 22 mandra-pahatongan'ilay anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an'ireo Olomasin'ny Avo Indrindra, sy nahatongavan'ny fotoana hahazoan'ireo Olomasina ny fanjakana. 23 Izao no nolazainy tamiko: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy. 24 Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin'izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo. 25 Hanao teny manohitra ny Avo Indrindra izy, sady hampahory ny Olomasin'ny Avo Indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tànany ireo Olomasina mandra-pahatapitry ny fetr'andro iray, sy fetr'andro roa, ary ny antsasaky ny fetr'andro. 26 Ary hatao ny fitsarana, ka hesorina aminy ny fanapahany, mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay. 27 Ary ny fanjakana sy ny fanapahana amam-pahalehibeazan'ny fanjakana etý ambanin'ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan'ny Olomasin'ny Avo Indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanapahana rehetra. 28 Izany no niafaran'ny teny. Nahatsiravina ahy Daniely loatra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehako nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863