Bokin'i Daniely

Toko faha-7

15 Nitebiteby ny saiko tao anatiko, izaho Daniely, ary nahatsiravina ahy ny fahitan'ny lohako.

16 Nanatona ilay anankiray tamin'ireo nitsangana teo aho, dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany, ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr'izany: 17 Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany, dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin'ny tany; 18 nefa ireo olo-masin'ny Avo Indrindra no handray ny fanjakana sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay doria alaovalo. 19 Tiako ho fantatra marina tamin'izay, ny amin'ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra, mahatsiravina indrindra, vy ny nifiny, varahana ny hohony, nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin'ny tongony ny sisa tsy laniny;

20 sy ny amin'ireo tandroka folo teo an-dohany, mbamin'ilay tandroka iray hafa nisandratra, ka nisy telo nitsingidina teo anoloany, dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe, ary niseho ho lehibe noho ny namany. 21 Nijery aho ka indro niady tamin'ireo Olomasina, sy naharesy azy ireo ilay tandroka, 22 mandra-pahatongan'ilay anti-dahy izay nanomezana ny fitsarana an'ireo Olomasin'ny Avo Indrindra, sy nahatongavan'ny fotoana hahazoan'ireo Olomasina ny fanjakana. 23 Izao no nolazainy tamiko: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany, hafa noho ny fanjakana rehetra, hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy. 24 Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin'izany fanjakana izany; hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo; ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo. 25 Hanao teny manohitra ny Avo Indrindra izy, sady hampahory ny Olomasin'ny Avo Indrindra, sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna, ary hatolotra ho eo an-tànany ireo Olomasina mandra-pahatapitry ny fetr'andro iray, sy fetr'andro roa, ary ny antsasaky ny fetr'andro. 26 Ary hatao ny fitsarana, ka hesorina aminy ny fanapahany, mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay. 27 Ary ny fanjakana sy ny fanapahana amam-pahalehibeazan'ny fanjakana etý ambanin'ny lanitra rehetra, homena ny vahoakan'ny Olomasin'ny Avo Indrindra; fanjakana mandrakizay ny fanjakany, ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanapahana rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1609