Bokin'i Daniely

Toko faha-7

2 Dia niteny Daniely ka nanao hoe: Nahita tamin'ny fahitako tamin'ny alina aho, ka indro nibosesika tamin'ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin'ny vazantany efatra:

3 ary niakatra avy ao amin'ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa. 4 Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin'ny tany sy nampijoroana azy tamin'ny tongony, hoatra ny olona ary nomena fon'olombelona izy. 5 Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsa, niainga ny ila-tenany, nisy taolana tehezana ary izao no nolazaina taminy: Mitsangàna hianao, mihinana nofo betsaka! 6 Manaraka izany, nijery aho, ka indro, nisy biby hafa koa, hoatra ny leoparda, nanan'ela-borona efatra teo an-damosiny; ary nanan-doha efatra izany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana. 7 Rahefa izany nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihorin-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin'ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo. 8 Nodinihako ireo tandroka, ka indro, nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin'izy ireo, ary nombotan'io ny telo tamin'ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason'olona sy vava nilaza zava-dehibe ity tandroka ity. 9 Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan'ny anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon'ondry madio, ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra, ny kodiarany;

10 ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky. 11 Nijery aho tamin'izay noho ny fireondreon'ny teny mihoa-pampana nolazain'ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin'ny lelafo. 12 Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan'ny andro iainany, mandra-pihavin'ny andro amam-potoana. 13 Nijery tamin'ny fahitana amin'ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak'olona tamy teny ambonin'ny rahon'ny lanitra; nandroso izy nankeo amin'ilay anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;

14 dia nomena azy ny fanapahana, sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2497