Bokin'i Daniely

Toko faha-9

4 Nivavaka tamin'ny Tompo Andriamanitro aho, ary nihaiky heloka, nanao hoe: Indrisy, ry Tompo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena amam-pamindram-po amin'izay tia anao sy mitandrina ny didinao,

5 izahay efa nanota sy nahavita heloka, nanao ratsy sy niodina niala tamin'ny didinao aman-dalànao. 6 Tsy nihaino ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay amam-panapaka anay sy tamin'ny razanay mbamin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany. 7 Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa ny fangaihaizan-tava kosa tahaka ny amin'izao anio izao no anay, dia an'ny olona any Jodà, ny mponina any Jerosalema, sy Israely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, any amin'ny tany rehetra nandroahanao azy, noho ny helony izay nataony taminao. 8 Tompo ô, anay ny fangaihaizan-tava, an'ny mpanjakanay, an'ny mpanapaka anay, an'ny razanay, satria nanota taminao izahay. 9 Fa an'ny Tompo Andriamanitray kosa, ny famindram-po amam-pamelan-keloka, satria niodina taminao izahay. 10 Tsy nanaiky ny feon'ny Tompo Andriamanitray izahay, mba hanarahanay ny lalàny, nataony teo anoloanay tamin'ny alalan'ny mpaminany mpanompony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1152