Ny Detoronomy

Toko faha-18

15 Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin'ny rahalahinao, Iaveh Andriamanitrao; hohenoinareo izy.

16 Izany no nangatahinao tamin'ny Tompo Andriamanitrao tany Horeba, tamin'ny andro nivoriana, nataonao hoe: Aoka tsy ho ny feon'ny Tompo Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty. 17 Dia hoy Iaveh tamiko: Tsara ny voalazan'izy ireo. 18 Hananganako mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin'ny rahalahiny, izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin'izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy. 19 Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin'ny anarako, dia izaho no hampamoaka azy ny amin'izany. 20 Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin'ny anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1197