Ny Detoronomy

Toko faha-25

5 Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin'ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.

6 Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo amin'Israely izany anarana izany. 7 Raha tsy tian-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo ambavahady ravehivavy, ka hanao hoe: Tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo imason'Israely ny rahalahin'ny vadiko, fa tsy mety manambady sy mitondra loloha ahy izy. 8 Dia hampiantso an-dralehilahy sy hiteny aminy ny loholon'ny tanĂ na, ka raha mikiry izy, manao hoe: Tsy te-hanambady azy aho, 9 dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ravehivavy, sy hanala ny kapa amin'ny tongony ary handrora amin'ny tavany sady hanao hoe: Toy izao no hatao amin'ny lehilahy tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny. 10 Ary ny fianakaviany dia hantsoina eo imason'Israely hoe: fianakavian'ilay afa-kapa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1066