Ny Detoronomy

Toko faha-26

16 Iaveh Andriamanitrao no mandidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsìpika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.

17 Nampanambara tamin'ny Tompo hianao androany, fa izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny hianao fa handeha amin'ny làlany, hitandrina ny didiny sy ny lalàna amam-pitsìpiny, ary hihaino ny feony. 18 Ary Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa hianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin'ny firenena rehetra nataony, na amin'ny voninahitra na amin'ny laza, na amin'ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao hianao, araka ny efa voalazany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0574