Ny Detoronomy

Toko faha-26

4 Dia horaisin'ny mpisorona ny sobika eny an-tànanao, ka hapetrany eo anoloan'ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao. 5 Ary hiteny eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameana efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban'olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro. 6 Mafy ny nitondran'ny Ejipsiana antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika. 7 Koa nitaraina tamin'ny Tompo Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin'ny Tompo ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika, 8 ka tànana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan'ny Tompo antsika avy tany Ejipta. 9 Nitondra antsika ho amin'ity toerana ity izy, ary nanome antsika an'ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 10 Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan'ny Tompo Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0534