Ny Detoronomy

Detoronomy toko 27
Didy mampanavao ny fanekena rahefa tonga any Kanaana - Fitsofan-drano sy fanozònana.

       1 Ary Moizy sy ny loholon'Israely dia nanome izao didy izao tamin'ny vahoaka: Tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio.
       2 Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao dia manangana vato lehibe ka hosory sokay, 3 ary soraty eo aminy ny teny rehetra amin'ity lalàna ity, rahefa tafita hianao, mba hidiranao eo amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao, izay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny voalazan'ny Tompo Andriamanitry ny razanao taminao. 4 Any an-tendrombohitra Hebala no hatsanganareo ireo vato nandidiako anareo androany ireo rahefa tafita an'i Jordany hianareo, dia hosoranao sokay izy. 5 Ary handrafitra otely eo hianao ho an'ny Tompo, dia otely vato tsy voapai-by. 6 Vato tsy voavoatra no handrafetanao ny otelin'ny Tompo Andriamanitrao. Ary manatera sorona dorana eo amboniny ho an'ny Tompo Andriamanitrao. 7 Manatera sorom-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrao. 8 Ary soraty amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra.
       9 Dia niteny tamin'Israely rehetra Moizy sy ireo mpisorona levitika ka nanao hoe: Mangìna ka mihainoa, ry Israely: Androany no efa tonga vahoakan'ny Tompo Andriamanitrao hianao. 10 Koa henoy ny feon'ny Tompo Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio.
       11 Nomen'i Moizy didy ny vahoaka androtrizay nataony hoe:
       12 Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, dia ireto no hitoetra hitso-drano ny vahoaka ao an-tendrombohitra Garizima: Simeona, Levì, Jodà, Isakara, Josefa ary Benjamina; 13 ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: Robena, Gada, Asera, Zabolona, Dana, ary Neftalì. 14 Dia hiteny ny Levita, ka amin'ny feo avo no hilazany amin'ny olona rehetra ao amin'Israely hoe:
       15 Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason'ny Tompo, asan-tànan'ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin'ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       16 Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       17 Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton'ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       18 Aoka ho voaozona izay mamery làlana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       19 Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       20 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       21 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       22 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       23 Aoka ho voaozona izay mandry amin'ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       24 Aoka ho voaozona izay mamono an-tàkona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       25 Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny rà tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
       26 Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin'ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.