Ny Detoronomy

Toko faha-28

27 Iaveh hikapoka anao amin'ny dridran'i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy laitram-panafody.

28 Iaveh hikapoka anao amin'ny firediredena, fahajambana, ary fahaverezan-tsaina, 29 hitsapatsapa amin'ny mitatao-vovonana, toy ny jamba amin'ny aizim-pito hianao; tsy hahomby amin'ny làlana alehanao, hampahoriana isan'andro hianao, ary hobaboina, nefa tsy hisy hamonjy anao. 30 Hifamofo amim-behivavy hianao, fa olon-kafa no hahazo azy; hanao trano hianao fa tsy honina aminy; hamboly voaloboka hianao, fa tsy hahazo ny vokany. 31 Hovonoina eo imasonao ny ombinao, fa tsy hihinana amin'izany hianao, hotsoahana eo anatrehanao ny ampondranao, fa tsy haverina aminao izy, ary hatolotra ny fahavalonao ny ondrinao, fa tsy hisy hamonjy anao akory. 32 Hatolotra ny firenena hafa ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ka ny masonao foana no hipitrapitra sy ho valalanina tontolo andro noho ny alahelo azy, fa ny tànanao tsy hahefa na inona na inona. 33 Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin'olon-kafa tsy fantatrao akory, ary hianao hampahoriana sy homongoin'ny sasany isan'andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0559