Ny Detoronomy

Toko faha-30

10 raha mihaino ny feon'ny Tompo Andriamanitrao hianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàna voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity, raha miverina amin'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra. 11 Izao didy andidiako anao izao tsy dia hoe, ambony ho anao na ivelan'ny takatrao.

12 Tsy any an-danitra izy ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka izany ho antsika sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy? 13 Tsy any an-dafin'ny ranomasina izany, ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hampita ny ranomasina haka izany ho antsika, sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy? 14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2034