Ny Detoronomy

Toko faha-31

1 Ary nanao izao teny izao tamin'Israely rehetra koa Moizy ka nanao tamin'izy ireo hoe:

2 Efa roapolo amby zato taona androany aho izao, ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony, ary Iaveh efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita an'io Jordany io hianao. 3 Iaveh Andriamanitrao no hita eo alohanao, izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao, ka dia hahazo azy ireo hianao. Josoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan'ny Tompo. 4 Toy ny nataon'ny Tompo tamin'i Sehona sy Oga, mpanjakan'ny Amoreana, izay naringany mbamin'ny taniny, no hataony amin'ireo koa. 5 Hatolotry ny Tompo aminareo izy, ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo. 6 Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin'ireo akory, satria Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao izy na handao anao. 7 Dia nantsoin'i Moizy Josoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan'Israely rehetra: Mahereza ary matanjaha tsara, fa hianao no hiditra miaraka amin'ity vahoaka ity, any amin'ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'ny razany homena azy ireo; ary hianao no hampanana azy ireo izany.

8 Fa Iaveh no handeha eo alohanao, izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao izy, ka aza matahotra na mivadi-po hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0707