Ny Detoronomy

Toko faha-32

18 Nandao ny Vatolampy izay niteraka anao hianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.

19 Nahita izany Iaveh, ka tezitra, nohantsin'ny zanany lahy aman-janany vavy izy.

20 Hoy izy: Hafeniko azy ny tavako, dia ho hitako izay hiafarany, fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.

21 Nampahasaro-piaro ahy tamin'izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra ahy tamin'ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy vahoaka kosa aho, sy hampahatezitra azy amin'izay firenena adala.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.113