Ny Detoronomy

Toko faha-32

3 Fa hitory ny anaran'ny Tompo aho: ka omeo voninahitra ny Andriamanitsika.

4 Ny Vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy izy; marina sy mahitsy.

7 Tsarovy ny andro taloha, saino ny taona tamin'ny taranaka taloha, anontanio an-drainao, fa hatorony anao, amin'ny anti-panahy, fa halazany anao:

8 Nony nomen'ny Avo indrindra zaratany ny firenena, nony natokotokony ny zanak'olombelona, dia nametra ny faritanin'ny vahoaka izy; araka ny isan'ny zanak'Israely.

9 Satria ny anjaran'ny Tompo dia ny vahoakany, ary Jakoba no anjara lovany.

12 Iaveh irery no nitondra azy; fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0863