Ny Detoronomy

Toko faha-32

26 Saiky hataoko hoe: Hofaohiko amin'ny indray mitsoka ireo, hofoanako tsy ho eo amin'ny olombelona ny fahatsiarovana azy,

27 raha tsy noho ny tahotro ny hireharehan'ny fahavalo sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy, ka hilaza hoe: Ny tananay no nahery; fa tsy Iaveh no nanao izany rehetra izany.

28 Fa firenena tsy manam-pahendrena izy, ary tsy misy saina eo aminy.

30 Hataon'ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo, hataon'ny roa lahy ahoana ny fampandositra ny iray alina, raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy, raha tsy Iaveh no efa nanolotra azy?

35 Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin'ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.

36 Fa homen'ny Tompo rariny ny vahoakany, ary noho ny mpanompony dia hanenina izy, rahefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1067