Ny Detoronomy

Toko faha-32

35 Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin'ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.

36 Fa homen'ny Tompo rariny ny vahoakany, ary noho ny mpanompony dia hanenina izy, rahefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.

39 Jereo amin'izao fa izaho, dia izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; izaho no mahafaty sy mahavelona; izaho no naharatra, ary izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin'ny tanako.

41 Rahefa hanasa ny sabatro manelatselatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864