Ny Detoronomy

Toko faha-4

32 Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin'ny andro naharian'Andriamanitra ny olombelona teto ambonin'ny tany sy hatramin'ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!

33 Vahoaka aiza no efa nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao anatin'ny afo toy ny efa renao, ka mbola velona ihany izy? 34 Oviana no mba nisy Andriamanitra nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afovoan'ny firenena iray hafa, tamin'ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tànana mahery, sandry ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon'ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, teo imasonareo, tany Ejipta? 39 Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa Iaveh no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony, sy ety amin'ny tany ambany ary tsy misy hafa. 40 Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra hianao dia hianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin'ny taona mifandimby rehetra any amin'ny tany omen'ny Tompo Andriamanitrao anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783