Ny Detoronomy

Toko faha-6

4 Mihainoa, ry Israely: Iaveh Andriamanitsika, dia izy ihany no Iaveh.

5 Tiàva an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra. 6 Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. 7 Alatsaho ao an-tsain'ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao hianao, na eny amin'ny dia alehanao, na mandry hianao, na hiarina. 8 Afehezo amin'ny tànanao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao. 9 Soraty eo amin'ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin'ny vavahadinao. 10 Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao any amin'ny tany nianianany tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba razanao, homena anao, tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao;

11 trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao; dobo famorian-drano, tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr'oliva, tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky hianao; 12 ka tandremo fandrao manadino an'ny Tompo izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. 13 Matahora an'ny Tompo Andriamanitrao, manompoa azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0821