Ny Detoronomy

Toko faha-6

14 Aza manaraka andriamani-kafa, amin'izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo. 15 Fa Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan'ny fahatezeran'ny Tompo Andriamanitrao hianao, sy fongorany eto ambonin'ny tany. 16 Aza maka fanahy an'ny Tompo Andriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy azy tany Masah.

17 Tandremo tsara ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, ny lalàna amam-pitsìpika nandidiany anareo. 18 Ny mahitsy sy tsara eo imason'ny Tompo no ataovy, mba ho sambatra hianao sy hiditra ao amin'ny tany soa izay nampanantenain'ny Tompo ny razanao tamim-pianianana mba hanananao azy, 19 rehefa voaroakany eo anoloanao, araka ny voalazan'ny Tompo, ny fahavalonao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137