Ny Detoronomy
Toko faha-6
2 mba hatahoranao an'ny Tompo Andriamanitrao, hianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao hianao, amin'ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao. 3 Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be hianao, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely; araka ny nolazain'ny Tompo Andriamanitry ny razanao anao. 4 Mihainoa, ry Israely: Iaveh Andriamanitsika, dia izy ihany no Iaveh.5 Tiàva an'ny Tompo Andriamanitrao, amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra. 6 Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.