Ny Detoronomy

Toko faha-7

6 satria vahoaka masina ho an'ny Tompo Andriamanitrao hianao. Hianao no nofidin'ny Tompo Andriamanitrao mba ho vahoakany manokana eo amin'ny vahoaka hafa rehetra ambonin'ny tany. 7 Tsy noho hianareo mihoatra isa noho ny vahoaka rehetra anefa, no niraiketan'ny Tompo taminareo sy nifidianany anareo; vitsy noho ny vahoaka hafa rehetra aza hianareo; 8 fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin'ny razanareo, dia nentin'ny Tompo nivoaka, tamin'ny tànana mahery, sy navotany tamin'ny trano fanandevozana hianareo, dia tamin'ny tànan'i Faraona mpanjakan'i Ejipta. 9 Koa aoka ho fantatrao àry fa Iaveh Andriamanitrao no Andriamanitra, dia Andriamanitra tsy mivadika, fa maharitra amin'ny fanekena amam-pamindram-po, hatramin'ny taranaka faharivo amin'izay tia azy sy mitandrina ny didiny.

10 Fa mamaly an-kitsirano kosa an'izay mankahala azy, amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra akory izy ny amin'izay mankahala azy, fa hovaliany ankitsirano izao. 11 Koa tandremo ny didy sy ny lalàna amam-pitsìpika andidiako anao anio, ka tanteraho izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2213