Toko faha-8
2
Tsarovy izany làlana rehetra izay nasain'ny Tompo Andriamanitrao nandehananao, tany an'efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalany izay hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny hianao, na tsia.
3
Nampietry tena anao izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin'ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa izay rehetra mivoaka avy amin'ny vavan'Andriamanitra no iveloman'ny olona.
14
dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tamin'ny trano fanandevozana,
15
izay nitondra anao tany amin'ity efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin'ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin'ny vatolampy mafy indrindra,
16
izay nanome mana hohaninao tany an'efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana,