Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy, noho ny sitra-pon'Andriamanitra, dia mamangy ny olona masina (any Efezy), mbamin'ny mpino ao amin'ny Kristy Jesoa:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin'ny Kristy, amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,

4 sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, 5 ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy isika; 6 nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'ilay malalany. 7 Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,

8 izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, 9 fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony, izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, 10 rahefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'ny Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. 11 Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan'ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, 12 mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena ny Kristy rahateo. 13 Tao aminy hianareo no nino, rahefa nahare ny tenin'ny fahamarinana, ny Evanjelin'ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, 14 sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny. 15 Noho izany, nony reko ny finoanareo an'i Jesoa-Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,

16 dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, 17 mba homen'ny Rain'ny voninahitra, Andriamanitr'i Jesoa-Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahin'ny fahendrena amam-panambarana hahalalana azy tsara; 18 ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben'ny voninahitry ny lova nomaniny ho an'ny olo-masina, 19 ary ny halehiben'ny fahefany mihoa-pampana ho an'izay mino, hita amin'ny fiàsan'ny heriny tsitoha. 20 Naharihariny tao amin'ny Kristy izany heriny izany, tamin'ny nananganany azy tamin'ny maty, sy nametrahany azy teo an-kavanany any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny fiainana ho avy koa, 22 fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra izy amin'ny Eglizy, 23 izay tenany, famenon'izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin'ny rantsam-batany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376