Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy, noho ny sitra-pon'Andriamanitra, dia mamangy ny olona masina (any Efezy), mbamin'ny mpino ao amin'ny Kristy Jesoa:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesoa-Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin'ny Kristy, amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,

4 sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, 5 ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy isika; 6 nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'ilay malalany. 7 Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,

8 izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, 9 fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony, izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, 10 rahefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'ny Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849