Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana
Toko voalohany
11
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan'ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony,
12
mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena ny Kristy rahateo.
13
Tao aminy hianareo no nino, rahefa nahare ny tenin'ny fahamarinana, ny Evanjelin'ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina,
14
sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2026 - page load 0.0427