Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko voalohany

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin'ny Kristy, amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,

4 sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, 5 ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy isika; 6 nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'ilay malalany. 7 Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,

8 izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, 9 fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony, izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, 10 rahefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'ny Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany. 11 Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan'ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, 12 mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena ny Kristy rahateo. 13 Tao aminy hianareo no nino, rahefa nahare ny tenin'ny fahamarinana, ny Evanjelin'ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, 14 sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0806