Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko voalohany

17 mba homen'ny Rain'ny voninahitra, Andriamanitr'i Jesoa-Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahin'ny fahendrena amam-panambarana hahalalana azy tsara; 18 ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben'ny voninahitry ny lova nomaniny ho an'ny olo-masina, 19 ary ny halehiben'ny fahefany mihoa-pampana ho an'izay mino, hita amin'ny fiàsan'ny heriny tsitoha. 20 Naharihariny tao amin'ny Kristy izany heriny izany, tamin'ny nananganany azy tamin'ny maty, sy nametrahany azy teo an-kavanany any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny fiainana ho avy koa, 22 fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra izy amin'ny Eglizy, 23 izay tenany, famenon'izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin'ny rantsam-batany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0686