Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko voalohany

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin'ny Kristy, amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,

4 sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, 5 ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy isika; 6 nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'ilay malalany. 11 Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan'ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, 12 mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena ny Kristy rahateo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1347