Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana
Toko faha-2
1 Fahiny dia matin'ny fahadisoana amam-pahotanareo hianareo,2 ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan'izao tontolo izao, sy ny lehiben'izay fahefana eny amin'ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin'ny zanaky ny tsy finoana. 3 Ary tsy misy hivoasana amin'izany koa no toetray rehetra fony izahay nanaraka ny filan'ny nofonay, sy niliba araka ny danin'ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin'izany. 4 Fa Andriamanitra izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavana izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin'ny Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin'i Jesoa-Kristy any an-danitra, 7 mba hanehoany amin'ny andro ho avy ny haben'ny harem-pahasoavany, amin'ny hatsaram-pony amintsika ao amin'ny Kristy Jesoa. 8 Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra, 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao misy mirehareha. 10 Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin'ny Kristy Jesoa, mba ho amin'ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
