Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Efeziana toko 2, 19-22

       <19Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry hianareo, fa mpiray fanjakana amin'ny olo-masina sy isam-pianakavian'Andriamanitra; 20ny Apostoly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary ny Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. 21Fa ao aminy no isondrotan'ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin'ny Tompo; 22ao aminy no andrafetan'ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan'Andriamanitra. >