Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-2

12 fa tamin'ny andro tany aloha hianareo, dia tsy nanana ny Kristy, voasaraka tamin'ny fikambanan'Israely; olon-ko azy tamin'ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao. 13 Fa ankehitriny kosa, ao amin'ny Kristy Jesoa, hianareo izay lavitra fahiny, dia tongan'ny ran'ny Kristy akaiky. 14 Fa izy no fihavanantsika, izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; 15 tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny tenany; 16 fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra, noho ny hazo fijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. 17 Ary tonga izy, nitory fihavanana tamin'izay lavitra, sy nitory fihavanana taminareo izay akaiky koa, 18 satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin'ny Fanahy iray ihany. 19 Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry hianareo, fa mpiray fanjakana amin'ny olo-masina sy isam-pianakavian'Andriamanitra;

20 ny Apostoly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary ny Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. 21 Fa ao aminy no isondrotan'ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin'ny Tompo; 22 ao aminy no andrafetan'ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0655