Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-2

4 Fa Andriamanitra izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavana izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin'ny Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin'i Jesoa-Kristy any an-danitra, 7 mba hanehoany amin'ny andro ho avy ny haben'ny harem-pahasoavany, amin'ny hatsaram-pony amintsika ao amin'ny Kristy Jesoa. 8 Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra, 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao misy mirehareha. 10 Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin'ny Kristy Jesoa, mba ho amin'ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.131