Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-3

2 raha mba renareo ihany ny fanambarana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, 3 izany hoe, ny fanambarana nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nalazako tamin'ny teny fohifohy teo. 4 Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin'ny Kristy, 5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka tany aloha, toy ny nanambarana azy ankehitriny tamin'ny Apostoliny masina sy ny mpaminaniny ao amin'ny Fanahy, 6 dia izao: Ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin'ny Jody ao amin'ny Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0664