Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Efeziana toko 3, 2-3,5-6,
<2raha mba renareo ihany ny fanambarana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo, 3izany hoe, ny fanambarana nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nalazako tamin'ny teny fohifohy teo. 5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka tany aloha, toy ny nanambarana azy ankehitriny tamin'ny Apostoliny masina sy ny mpaminaniny ao amin'ny Fanahy, 6dia izao: Ny jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin'ny Jody ao amin'ny Kristy Jesoa, noho ny ninoany ny Evanjely; >