Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-3

8 Eny, izaho izay kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin'ny jentily ny haren'ny Kristy tsy hita pesipesenina, 9 sy ny hanazava amin'ny olona rehetra ny filaharan'ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin'Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra. 10 Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin'ny alalan'ny Eglizy, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan'Andriamanitra mamoron-kevitra, 11 araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika, 12 izay ananantsika fahasahiana hanatona an'Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana azy. 14 Eny, noho izany no andohalehako amin'ny Ray,

15 izay angalan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana, 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin'ny Fanahy, 17 sy ny hitoeran'ny Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin'ny fitiavana hianareo, 18 ka hiara-mahafantatra tsara amin'ny olo-masina rehetra izay sakany sy lavany, ary hahavony sy halaliny, 19 sady hahalala ny fitiavan'ny Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon'ny hafenoan'Andriamanitra rehetra hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1119