Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-4

1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin'ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo hianareo,

2 amin'ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin'ny fahari-po, amin'ny fifandeferana, amim-pitiavana; 3 mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; 4 fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; 5 tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6 ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523