Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-4

17 Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin'ny Tompo: Aza manao fitondran-tenan-jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany,

18 fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan'Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambam-pony, 19 ka lany henatra dia navarin'ny filan-dratsiny tamin'ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. 20 Fa hianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala ny Kristy, 21 raha izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin'i Jesoa, 22 hiala amin'ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban'ny fitaky ny filan-dratsy, 23 mba hohavaozina ao amin'ny saina amam-panahinareo hianareo, 24 ka hitafy ny olom-baovao izay noharina araka an'Andriamanitra amin'ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0657