Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Efeziana toko 4, 1-6,
Fananarana hiray fo sy finoana ary handroso tsara - Masina fitondran-tena.

       1Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin'ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo hianareo, 2amin'ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin'ny fahari-po, amin'ny fifandeferana, amim-pitiavana; 3mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; 4fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; 5tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra. >