Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-4

1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin'ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo hianareo,

2 amin'ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin'ny fahari-po, amin'ny fifandeferana, amim-pitiavana; 3 mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; 4 fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; 5 tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, batemy iray, 6 ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra. 7 Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy.

11 Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

12 mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2037