Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-4

7 Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen'ny Kristy antsika tsirairay avy.

8 Izany no anaovan'ny Soratra Masina hoe: Niakatra any ambony izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an'ny olona. 9 Inona no ilazana hoe niakatra izy, afa-tsy noho izy efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? 10 Ary tsy iza ilay nidina fa ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. 11 Dia izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

12 mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny tenan'ny Kristy, 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'ny Kristy; 14 dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon'ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan'ny olona ho amin'ny hevi-diso; 15 fa hanaraka ny marina amin'ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha, dia ny Kristy. 16 Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin'ny fitiavana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801