Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-5

15 Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, ry rahalahy, aza misary adala, fa mbà hendry;

16 hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao. 17 Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitra-pon'ny Tompo. 18 Aza mimamo divay, satria loharanom-pahalotoana izany; fa mifenoa Fanahy masina hianareo. 19 Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo. 20 Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1435