Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Efeziana toko 5, 8-14

       <8Taloha hianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin'ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava. 9Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra. 10Fantaro izay ankasitrahan'Andriamanitra. 11Aza mba mikambakambana amin'izay asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian'ireny, 12satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon'izy ireny an-takona aza; 13fa asehon'ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rahefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. 14Izany no nanoratana hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsang├ána amin'ny maty, dia hanazava anao ny Kristy. >