Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-5

8 Taloha hianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin'ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.

9 Ary ny vokatry ny mazava dia ny soa, ny mety ary ny marina rehetra. 10 Fantaro izay ankasitrahan'Andriamanitra. 11 Aza mba mikambakambana amin'izay asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian'ireny, 12 satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon'izy ireny an-takona aza; 13 fa asehon'ny mazava avokoa ny zavatra rehetra rahefa voambara ny haratsiany, ary na inona na inona aseho, dia tonga mazava koa. 14 Izany no nanoratana hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin'ny maty, dia hanazava anao ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095