Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-6

1 Hianareo zanaka, maneke ao amin'ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.

2 Manajà ny ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana, dia ny hoe: 3 mba hahita soa sy ho ela velona ety ambonin'ny tany hianao. 4 Hianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin'ny famaizana amam-pananarana ao amin'ny Tompo izy. 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena ny Kristy; 6 aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin'olombelona, fa toy ny mpanompon'ny Kristy, manao ny sitra-pon'Andriamanitra amin'ny fo tokoa; 7 ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona; 8 satria fantatrareo marina fa isam-batan'olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian'Andriamanitra soa, amin'izay soa nataony avy. 9 Hianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin'izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrareo fa tsy mba mizaha tavan'olona ilay Tompon'izy ireo sy hianareo any an-danitra. 10 Farany, ry rahalahy, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.

11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, dia tsy hiraika amin'izay fanangolen'ny demony akory hianareo. 12 Fa tsy amin'ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin'ny fanapahana, amin'ny fahefana, amin'ny andrian'izao tontolo izao, amin'ny fanahy ratsy eny ambony eny. 13 Koa raiso avokoa àry ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin'ny andro ratsy, dia hijoro tsara hianareo rahefa niala nenina. 14 Aza miraika, fa sikino fahamarinana ny valahanareo, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; 16 fanampin'ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipik'afo rehetra alefan'ilay ratsy. 17 Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. 18 Ataovy lalandava ao amin'ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin'izany dia miambena amin'ny faharetana rehetra, sy amin'ny fivavahana ho an'ny olona masina rehetra; 19 dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran'ny Evanjely, 20 (izay anaovako ny raharahan'ny ambasadaoro eo am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho. 21 Ary ny amin'ny hahalalanareo izay toetra sy ataoko aty, dia iny Tisiko, rahalahy malala, sady mpandraharaha mahatoky ao amin'ny Tompo, hampandre anareo ny zavatra rehetra;

22 fa izany indrindra no nandefasako azy ho aty aminareo, ka dia sady handre ny toetray hianareo, no halany alahelo koa ny fonareo. 23 Fiadanana anie ho an'ny rahalahy, ary fitiavana amam-pinoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompo!

24 Fahasoavana anie ho an'izay rehetra tia an'i Jesoa-Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy lefy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0453