Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-6

1 Hianareo zanaka, maneke ao amin'ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny.

2 Manajà ny ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana, dia ny hoe: 3 mba hahita soa sy ho ela velona ety ambonin'ny tany hianao. 4 Hianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin'ny famaizana amam-pananarana ao amin'ny Tompo izy. 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena ny Kristy; 6 aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin'olombelona, fa toy ny mpanompon'ny Kristy, manao ny sitra-pon'Andriamanitra amin'ny fo tokoa; 7 ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona; 8 satria fantatrareo marina fa isam-batan'olona, na andevo na olona afaka, dia samy hovalian'Andriamanitra soa, amin'izay soa nataony avy. 9 Hianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin'izy ireo, ka ajanòny ny fandrahonana, satria fantatrareo fa tsy mba mizaha tavan'olona ilay Tompon'izy ireo sy hianareo any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0649