Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Efeziana

Toko faha-6

10 Farany, ry rahalahy, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.

11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, dia tsy hiraika amin'izay fanangolen'ny demony akory hianareo. 12 Fa tsy amin'ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin'ny fanapahana, amin'ny fahefana, amin'ny andrian'izao tontolo izao, amin'ny fanahy ratsy eny ambony eny. 13 Koa raiso avokoa àry ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin'ny andro ratsy, dia hijoro tsara hianareo rahefa niala nenina. 14 Aza miraika, fa sikino fahamarinana ny valahanareo, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; 16 fanampin'ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipik'afo rehetra alefan'ilay ratsy. 17 Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. 18 Ataovy lalandava ao amin'ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin'izany dia miambena amin'ny faharetana rehetra, sy amin'ny fivavahana ho an'ny olona masina rehetra; 19 dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran'ny Evanjely, 20 (izay anaovako ny raharahan'ny ambasadaoro eo am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793