Bokin'ny Eklesiastika

Toko voalohany

1 Ny fahendrena rehetra dia avy amin'ny Tompo; ao aminy mandrakizay izy.

2 Iza no mahisa ny fasika amin'ny ranomasina, ny fiteten'ny ranonorana, ary ny andro efa lasa?

3 Zovy no mahatakatra ny hahavon'ny lanitra sy ny haben'ny tany, sy ny halalin'ny hantsan'ny fahendrena?

4 Voahary talohan'ny zavatra rehetra, ny fahendrena, ary ny fahazavan'ny saina hatramin'ny mandrakizay.

5 Ny loharanon'ny fahendrena, dia ny tenin'Andriamanitra any an-tampon'ny lanitra, ary ny làlany, dia ny lalàna mandrakizay.

6 Iza no nanambarana ny foto-pahendrena? Zovy no nahalala ny heviny lalina?

7 Iza no nilazana sy nanehoana ny fahalalana ny fahendrena, ary zovy no mahazo an-tsaina ny hasarobidin'ny làlany?

8 Iray ihany no hendry, hany atahorana indrindra, mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany, dia ny Tompo.

9 Izy no nahary azy; nahita azy izy ka nampahalala azy;

10 nandrotsaka azy tamin'ny asany rehetra izy, sy amin'ny nofo rehetra, araka ny ambaratongam-panomezany. Notolorany be izay tia azy.

11 Ny fahatahorana ny Tompo, dia haja amam-boninahitra, ary fifaliana amam-pehiloha firavoravoana.

12 Ny fahatahorana ny Tompo mampiravoravo ny fo, mampahazo fisariadriaka aman-kafaliana sy andro lava.

13 Izay matahotra ny Tompo, hahita soa amin'izany amin'ny farany, ary hahazo sitraka izy, amin'ny andro hahafatesany. Ny fitiavana an'Andriamanitra no fahendrena be voninahitra; omen'Andriamanitra fahendrena izay olona isehoany, mba hahabanjinany azy.

14 Ny fahatahorana an'Andriamanitra, no fiandohan'ny fahendrena; miara-miforona amin'ny olo-marina, hatrany an-kibon-dreniny izy.

15 Mamboatra fonenana mandrakizay ho azy, ao amin'ny olombelona izy, ary honina tsy hiala ao amin'ny taranany.

16 Ny fahendrena feno tanteraka, dia ny matahotra ny Tompo; vokisany ny vokany izay manana azy.

17 Fenoiny zava-paniry ny tranony rehetra, ary fenoiny ny vokany ny fitoeram-bokany.

18 Ny fehilohan'ny fahendrena, dia ny fahatahorana ny Tompo; mampandroso fiadanana sy mahavokatra famonjena izy.

19 Nahita azy ny Tompo, dia namosaka azy, ary samy fanomezan'Andriamanitra izy roa ireo. Mampiboiboika be ny fahalalana sy ny fahazavan'ny saina izy, sy mankalaza ny voninahitr'izay manana azy.

20 Ny foto-pahendrena dia ny fahatahorana ny Tompo, ary ny sampany dia ny andro lava iainana.

21 Mandroaka ny fahotana ny fahatahorana ny Tompo, ary mampidify ny hatezerana izay mifikitra aminy.

22 Tsy azo hamarinina ny olona tsy marina sy foìzina, fa mitarika ny famongorana azy ny afonafon'ny hatezerany.

23 Miandry hatramin'ny fotoana ny olona mandefitra, ka miverina aminy indray ny firavoravoany.

24 Afeniny hatramin'ny fotoana mety ny teniny, ka tantarain'ny olo-mahatoky ny fahamalinany.

25 Ny raki-pahendrena, misy foto-kevi-pahamalinana, fa ny fitiavana an'Andriamanitra kosa, dia fahavetavetana amin'ny mpanota.

26 Maniry fahendrena va hianao? tandremo ary ny didy, dia homen'ny Tompo anao izany.

27 Fa ny fahendrena amam-pahalalana, dia ny fahatahorana ny Tompo; ary ny ankasitrahany, dia ny fahamarinana amam-kalemem-panahy.

28 Aza mandà tsy hanana ny fahatahorana ny Tompo; ary aza fo miefitrefitra no anatonanao azy.

29 Aza mihatsaravelatsihy eo imason'ny olombelona; ary tandremo ny molotrao.

30 Aza manandra-tena hianao, fandrao dia miongana; ka hanafo-kenatra ny tenanao hianao. Fa ny Tompo hanambara izay afeninao, ka handronjina anao ho eo afovoan'ny fivoriana, noho hianao tsy nilozoka tamin'ny fahatahorana ny Tompo, ka feno fitaka ny fonao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848