Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-12

1 Raha manao soa hianao, fantaro izay hanaovanao azy, dia hankasitrahan'ny olona ny soa ataonao.

2 Manaova soa amin'ny olona tia vavaka dia hahita valisoa hianao, na tsy aminy aza dia amin'ny Tompo kosa.

3 Ny soa atao tsy mba ho an'izay mikiribiby amin'ny ratsy, na ho an'izay tsy mba manaraka ny fanaovan-tsoa.

4 Ny olona tia vavaka no omeo, fa aza izay mpanota no ampianao.

5 Manaova soa amin'izay voaetry ary aza manome izay mpankahala fivavahana; mandava tsy hanome mofo azy, ka aza omenao, fandrao tonga matanjaka noho hianao izy amin'izany; fa hovaliany ratsy avo sasaka, ny soa rehetra nataonao taminy.

6 Ny Avo Indrindra koa, mankahala ny mpanota; ary hanisy famaliana ny mpankahala ny fivavahana.

7 Ny olona tsara fanahy no omeo, fa aza manampy ny mpanota.

8 Ny sakaiza tsy manao izay hahamendrika azy hosazina, amin'ny fanambinana; ny fahavalo, tsy mamitsaka, amin'ny fahoriana.

9 Raha miadana ny olona, misaona ny fahavalony; idiran-doza izy, na ny sakaizany aza mihataka.

10 Aza matoky ny fahavalonao, na oviana na oviana; fa toy ny varahina saron'ny harafesina ny hasomparany.

11 Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy, mitandrema sy miarova tena aminy, dia ho tahaka an'izay mandambolambo fitaratra hianao, ho azy, ary ho hitanao fa tsy misy harafesina hatramin'ny farany izy.

12 Aza apetraka eo anilanao izy; fandrao aongany hianao, dia alainy ny fitoeranao; aza asaina mipetraka eo ankavananao izy, fandrao dia tadiaviny hitoerana ny fitoeranao, ka amin'ny farany, nony hahalala ny hamarinan'ny teniko hianao, dia hanana alahelo amin'ny fahatsiarovana ny teniko.

13 Iza no hangoraka izay mpanao fankatoavana, voakaikitry ny menarana, na izay rehetra manatona ny biby masiaka?

14 Torak'izany koa izay manao fikambanana amin'ny mpanota sy miombona amin'ny fahotany.

15 Miara-mitoetra aminao ora iray izy, fa raha mihataka hianao, tsy hihazona izy.

16 Ny fahavalo dia malefaka am-bava, nefa ao am-pony dia izay hamarinany anao an-davaka, no saintsaininy. Ny ranomaso, mitrahotraho amin'ny masony, nefa ny ranao no mahaliana azy, raha misy hahazoany mandatsaka azy.

17 Raha tra-doza hianao, dia hahita azy eo anoloanao, ary hody hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;

18 hikifikifi-doha sy hiteha-tanana izy nony efa izany, tsy hitsahatra ny hitakoritsika, dia hanao endrika hafa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037